Luke 22

1Ary efa antomotra ny Firavoravoana amin’ny Mofo tsy misy masirasira, izay antsoina hoe Paska. 2Niady hevitra ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna ny amin’ny fomba afahan’izy ireo mamono an’i Jesosy, satria natahotra ny olona izy ireo.

3Avy eo Satana niditra tamin’i Jodasy Iskariota, izay iray tamin’ireo roa ambin’ny folo. 4Jodasy nandeha nankany amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ireo kapiteny ary niady hevitra tamin’izy ireo ny amin’ny fomba hamadihany an’i Jesosy eo amin’izy ireo.

5Faly izy ireo, ary nanaiky ny hanome vola azy. 6Nanaiky izy, ary nitady kendry tohana mba hanolorany Azy eo amin’izy ireo lavitry ny vahoaka.

7Tonga ny andron’ny mofo tsy misy masirasira, izay tsy maintsy hanaovana sorona ny zanak‘ondrin’ny Paska. 8Jesosy naniraka an’i Petera sy Jaona, nanao hoe: “Mandehana ary homano ho antsika ny sakafon’ny Paska, mba afahantsika mihinana izany.” 9Izy ireo nanontany Azy hoe: “Aiza no tianao hanaovanay ny fanomanana?”

10Namaly azy ireo Izy hoe: “Henoy, rehefa miditra ny tanàna ianareo, dia hisy lehilahy iray mitondra sinin-drano hifanena aminareo. Manaraha azy any amin’izay trano idirany. 11Dia teneno ny tompon-trano hoe: ‘Ny Mpampianatra milaza aminao hoe: “Aiza ny efi-trano fandraisam-bahiny, izay hihinanako ny sakafon’ny Paska miaraka amin’ireo mpianatro?”’

12Izy hampiseho anareo efitrano ambony rihana lehibe misy fanaka. Ataovy ao ny fanomanana.” 13Koa dia nandeha izy ireo, ary nahita ny zavatra rehetra araka izay nolazainy tamin’izy ireo. Ary nanomana ny sakafon’ny Paska izy ireo.

14Rehefa tonga ny fotoana, dia nipetraka niaraka tamin’ireo apostoly Izy. 15Dia niteny tamin’izy ireo Izy hoe: “Naniry mafy ny hihinana ity Paska ity miaraka aminareo Aho mialohan’ny hijaliako. 16Fa lazaiko aminareo, tsy hihinana ity intsony Aho, mandra-pahatanterak’izany any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”

17Dia nandray kapoaka Jesosy, ary rehefa nisaotra Izy, dia nanao hoe: “Raiso ity, ary zarao aminareo. 18Fa lazaiko aminareo, tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho, mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.”

19Dia nandray ny mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia notapahiny izany, ary nomeny azy ireo, dia niteny hoe: “Ity ny vatako izay omena ho anareo. Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.” 20Noraisiny tahaka izany koa ny kapoaka rehefa vita ny sakafo, dia hoy izy hoe: “Ity kapoaka ity dia ilay fanekena vaovao amin’ny ràko, izay narotsaka ho anareo.

21Fa mitandrema. Ilay iray izay hamadika Ahy dia miaraka Amiko eto an-databatra. 22Fa ny Zanak’Olona dia mandeha tokoa araka izay voatendry. Fa loza ho an’izany lehilahy izay hamadika Azy izany!” 23Nanomboka nifapanontany izy ireo ny amin’ny iray amin’izy ireo izay mety hanao izany.

24Dia nisy fifandirana nitranga koa teo amin’izy ireo momba izay heverina ho lehibe indrindra amin’izy ireo. 25Niteny tamin’izy ireo Izy hoe: “Ireo mpanjakan’ny Jentilisa dia tompon’izy ireo, ary ireo izay manana fahefana amin’izy ireo dia atao ho toy ireo izay manao tsara ho an’ny vahoakany.

26Fa tsy toy izany mihintsy ny aminareo. Mifanohitra amin’izany, aoka izay lehibe indrindra aminareo ho lasa toy ny kely indrindra, ary aoka izay manan-danja indrindra ho tonga tahaka izay manompo. 27Fa iza no lehibe kokoa, izay mipetraka amin’ny latabatra, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka eo amin’ny latabatra ve? Kanefa Izaho eto aminareo toy ny iray izay manompo.

28Fa ianareo no olona izay nanohy niaraka tamiko tao amin’ny fakam-panahy nianjady tamiko. 29Omeko fanjakana ianareo, tahaka ny Raiko koa izay nanome fanjakana ho Ahy, 30mba ho afaka hihinana sy hisotro eo an-databatro any amin’ny fanjakako ianareo, ary hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny fokon’ny Israely roa ambin’ny folo ianareo.

31Simona, Simona, mitandrema, mitady ny hahazo anareo Satana, mba afahany manivana anareo toy ny vary. 32Fa nivavaka ho anao Aho, mba tsy ho faty ny finoanao. Aorian’ny hiverenanao indray, dia ampaherezo ireo rahalahinao.”

33Petera niteny taminy hoe: “Tompo, vonona hiaraka Aminao aho na any am-ponja na ho any amin’ny fahafatesana.‘’ 34Jesosy namaly hoe: “Lazaiko aminao, ry Petera, tsy haneno ny akoho amin’izay andro izay, mialohan’ny handavanao Ahy intelo hoe mahafantatra Ahy ianao.”

35Dia niteny tamin’izy ireo Jesosy hoe: “Rehefa nandefa anareo tsy niaraka tamin’ny fitoeram-bola, kitapom-batsy, na kiraro Aho, nisy zavatra tsy ampy anareo ve?” Namaly izy ireo hoe: “Tsy nisy.” 36Dia niteny tamin’izy ireo Izy hoe: “Fa izao, izay manana fitoeram-bola, aoka izy haka izany, na kitapom-batsy ihany koa. Izay tsy manana sabatra dia tokony hivarotra ny lambany ary hividy iray.

37Fa Izaho miteny aminareo, izay voasoratra momba Ahy dia tsy maintsy tanteraka: ‘Izy dia noraisina toy ny iray amin’ireo tsy manara-dalàna.’ Fa izay nolazaina mialoha momba Ahy dia efa ho tanteraka” 38Dia niteny izy ireo hoe: “Tompo, jereo! Ireto misy sabatra roa.” Izy niteny tamin’izy ireo hoe: “Ampy izay.”

39Taorian’ny sakafo, dia nandeha Jesosy, toy ny fanaony matetika, tany an-tendrombohitr’Oliva, ary nanaraka Azy ireo mpianatra. 40Rehefa tonga izy ireo, dia hoy Izy tamin’izy ireo: “Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.”

41Niala teo amin’izy ireo teo ho eo amin’ny indray mitora-bato Izy, dia nandohalika Izy ary nivavaka, 42nanao hoe: “Ray o, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity. Na izany aza tsy ny sitrako, fa ny Anao no hatao”.

43Dia nisy anjely avy any an-danitra niseho taminy, nampahery Azy. 44Tao anatin’ny fangirifiriana, nivavaka tamin-kafanam-po mafy kokoa Izy, ary ny hatsembohany dia lasa toy ny rà nitete tamin’ny tany.

45Ary rehefa nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankany amin’ny mpianatra, ary nahita azy ireo natory nohon’ny alahelon’izy ireo, 46ka nanontany azy ireo hoe: “Nahoana no matory ianareo? Mitsangàna ary mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.”

47Raha mbola niteny Izy, indro, nisy vahoaka niseho, niaraka tamin’i Jodasy, iray amin’ireo roa ambin’ny folo, nitarika azy ireo. Nanakaiky an’i Jesosy izy mba hanoroka Azy, 48fa Jesosy niteny taminy hoe: “Jodasy, mamadika ny Zanak’Olona amin’ny oroka ve ianao?”

49Rehefa nahita ny zava-nitranga ireo izay nanodidina an’i Jesosy, dia niteny izy ireo hoe: “Tompo, tokony hamely amin’ny sabatra ve izahay? 50Avy eo ny iray tamin’izy ireo namely ny mpanompon’ny mpisoronabe, ary nanapaka ny sofiny havanana. 51Jesosy niteny hoe: “Ampy izay!” Nokasihiny ny sofiny, ary nositraniny izy.

52Jesosy niteny tamin’ny lohan’ny mpisorona, tamin’ireo kapitenin’ny tempoly, ary tamin’ireo loholona izay tonga hanohitra Azy hoe: “Tonga toy ny hisambotra mpangalatra ve ianareo, miaraka amin’ny sabatra sy langilangy? 53Tamin’Izaho niaraka taminareo isan’andro tao an-tempoly, tsy nisambotra Ahy ianareo. Fa izao no oranareo, sy ny fahefan’ny haizina.”

54Teo am-pisamborana Azy, dia notarihan’izy ireo Izy, ary nentin’izy ireo tany an-tranon’ny mpisoronabe. Fa Petera nanaraka avy teny lavidavitra. 55Rehefa avy nampirehitra afo teo afovoan’ny tokontany ary niara-nipetraka izy ireo, dia nipetraka teo afovoan’izy ireo Petera.

56Nisy mpanompo vavy iray nahita azy raha nipetraka teo amin’ny fahazavan’ny afo izy, ary nijery mahitsy azy sy niteny hoe: “Ity lehilahy ity koa niaraka taminy.” 57Fa Petera nandà izany, niteny hoe: “Ry vehivavy, tsy fantatro Izy.” 58Afaka kelikely dia nisy olona hafa nahita azy, ary niteny hoe: “Ianao koa iray amin’izy ireo.” Fa Petera niteny hoe: “Ry lehilahy, tsy izy aho.”

59Nony afaka adiny iray teo ho eo dia nisy lehilahy hafa nanizingizina sy niteny hoe: “Marina fa niaraka taminy koa ity lehilahy ity, fa izy dia Galiliana.” 60Fa Petera niteny hoe: “Ry lehilahy, tsy fantatro izay teneninao.” Teo no ho eo, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.

61Niherika, ny Tompo nijery an’i Petera, ary Petera nahatsiaro ny tenin’ny Tompo, tamin’ny niteny taminy Izy hoe: “Alohan’ny hanenoin’ny akoho anio dia handà Ahy intelo ianao.” 62Nivoaka tany ivelany Petera ary nitomany mafy.

63Ary ireo lehilahy niambina an’i Jesosy dia nananihany ary nikapoka Azy. 64Nasian’izy ireo sarona Izy ary nanontany Azy izy ireo, niteny hoe: “Maminania! Iza ilay olona izay mikapoka Anao?” 65Niteny zavatra hafa maro hanohitra an’i Jesosy izy ireo, niteny ratsy Azy.

66Raha vao nazava ny andro, dia niara-niangona ireo loholona, ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna. Nentin’izy ireo tany amin’ny Synedriona Izy 67ary niteny hoe: “Raha Ianao no Kristy, dia teneno aminay.” Fa Izy niteny tamin’izy ireo hoe: “Raha ho teneniko aminareo, dia tsy hino ianareo”, 68ary raha hanontany anareo Aho, dia tsy hamaly ianareo.

69Fa manomboka izao, ny Zanak’Olona dia hipetraka eo an-tanana akavanan’ny herin’Andriamanitra.” 70Izy rehetra niteny hoe: “Dia Zanak’Andriamanitra izany Ianao?” Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Voalazanareo fa Izaho no Izy.” Izy ireo niteny hoe: “Nahoana no mbola mila vavolombelona isika? Fa isika mihitsy no naheno avy tamin’ny vavany.”

71

Copyright information for PltULB